« Sexualité »

Teny iray tsy heno firy
Tsy voadika teny gasy
Tsy ambolena fa mitsiry
Mampitroatra ny ao anaty

Tsy resahina ao an-trano
Tena fady, mahamenatra
Hany ny zatovo maro
Ka tsy mahita izay alehany

Ny vehivavy no filamatra
Na miakanjo na mihanjaka
Fanalana sorisory
Fampiasan’ny tontolo

Bokin’ny mpifankatia
Dokam-barotra ery
Sary hanitona-maso
Ny vehivavy tsy miakanjo

Ny fiakanjo sexy
Mampierika mpandalo
Miampy kavina sy dihy
Lambada sy rapy maro

Topi-maso iray mijery
Tselatr’afo no aterany
Ka mandoro izay itoerany
Mora taitry ny eny ivelany

Mitsapatsapa dia manandrana
Mampirafy roa na telo
Mampiaraka eny ho eny
Ray sy reny tsy miteny

Mariky ny fandrosoana
Mifampitantana, midola
Toy ny mpivady mihitsy
Mideradera izay tsy izy

Kanjo nony injay mipoaka
Ny andro iray tsy ifanarahana
Kitra no entina mivoaka
Olon-kafa indray no iarahana

Inona no mahatonga izany
Noho ny tsy fahalalana ihany
Fa ny sexualité, dia
Tsara hazavaina re.

Fa Andriamanitra mihitsy
Tsy manafina amintsika
Mampiseho miharihary ny planiny mazava
fa ny sexualité, tsy ota akory sanatria
Tsy ho filalao koa
Fa ho an’ny olon-droa
Nifanaiky hiara-dia
Ho mpivady ho doria

RNH, Soavimbahoaka, janvier 1994

 



Autres articles

Un commentaire

  1. andriamihanta henri dit :

    Bonjour!
    Hay ve enao ka manantalenta be ohatr’izany e , izao aho vao tena manadihady ny site nao
    izaho koa mankafy ireny tononkalo ireny sady taloha aho mba nanoratra ihany fa saingy tsy nifototra tanteraka fa ny sport no tena nimasoako
    izay aloha fa de mirary anao hahavita tsaratsara kokoa hatrany e
    de mirary andro tsara ho anao koa aho
    mandram-pifanoratra indray
    Riri

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees