Ry tanora, aza avela !

Ry tanora izay misaina
Vory nofo, feno hery
Aza avelanao ho very
Izany andro sarobidy
Fotoana fohy tsy voavidy

Ny hatanorana voninkazo
Raha main-tany dia halazo
Ho voahosy , ho fanary
Ho fandatsa, ts’hisy mpiaro
Toy ny zazavavy maro

Fa raha sendra rano velona
Hijoro, ho vavolombelona
Hanasitrana marary
Ny hakantony, ny haniny
Hitondra aina vao indray

Ny maraina ho fiderana
Ny hariva hankalazana
Ka ny fiainanao rehetra
Hanitra tsy misy fetra
Hampitony setrasetra

Koa aza avela ho simbana
Fa voninkazo tena tsara
Toy ilay namorona azy
Kanto indrindra, eny ‘lahy
Ray sy Zanaka, Fanahy

RNH, La nuit du 20/01/1994, à Soavimbahoaka

Musique de fond: Minute Waltz, Chopin.

 



Autres articles

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees