Namana

Image de prévisualisation YouTube

Natao hitokiana, hizarana ny marary 

Mampiarina raha mianjera, 

Mikarakara izato fery, 

Mahatsiaro raha sendra ianao ka irery. 

  

Sandry hianteherana 

Raha toa ianao ka reraka 

Tsy mandao, na manary 

Eo foana, na faly na marary 

  

Manitsy raha sendra diso làlana 

Manafay amim-pitiavana 

Miara-paly, miara-kory 

Nofy izany hoe hanorisory. 

  

Vonona hanampy foana 

Mampahery, mampitony 

Mamela heloka ihany koa 

Raha sendra mampahory 

  

Mahatsiaro anao am-bavaka 

Vonona hiara-hivavaka 

Mahay mihaino koa 

Raha misy izay manjo 

  

Tsy amin’ny fahoriana ihany 

Fa amin’ny hafaliana koa 

Vonona hiara-paly 

Am-pitiavana avokoa

R.N.H, Trocadero, le 25 octobre 2008

Musique de fond: Fony aho, Henri Ratsimbazafy



Autres articles

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees