Nahoana ?

  - Nahoana no misy ny rano lalina
    Tsy maintsy hirobohana raha te-ho tafita?

 

  - Nahoana no misy ny làlana ety
    Tsy maintsy handalovana raha te-ho any?

 

  - Nahoana no misy ny fakam-panahy
    Tsy maintsy hiaretana raha te-ho tsara tefy?

 

  - Nahoana no misy ny adim-panahy
    Tanatin’ny rivotra manodidina ahy ?

  

     Satria  
     - Ny tena voadio no ankasitrahany
     - Ny làlana ety, manala ny ota
     - Ny fanahy voatefy no tsy mba roahiny
     - Ny adim-panahy no manefy ny foko
 

          Hanomana antsika hihaona amin’ny Tompo
          Ho mendrika indrindra ilay akanjo fotsy.
 
    
    RNH, Soavimbahoaka, 1994



Autres articles

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees