Imahagaga

http://www.dailymotion.com/video/keDQ5AnPPGGlMHmpwt

Mahagaga ianao Jeso,
Fa na lavitra aza aho
Indro mbola hatoninao
Hanehoanao ny herinao.

Ny aizim-pito izay aleha
Tsisy takona aminao
Ka ny lalako rehetra
Mahagaga, hitanao.

Matetika aho no mitomany
Manome tsiny anao
Nefa ny hadalako ihany
Mahagaga, Tompo fa avelanao.

Sarotra amiko ny hanazava
Hatraiza moa ny antranao
Miampy fahasoavana aza
Mahagaga ny  fitiavanao.

Mahatalanjona ahy tokoa
Izany fandaharanao
Fa izay irin’ny fo
Tsisy tsy tanterakao.

Eny raha vao mikasa fotsiny
Dia efa henonao
Ka raha toa sitrakao
Mahagaga hatranganao.

Na ny vola, na ny asa
Fianarana ihany koa
Mino aho fa na ny vadiko aza
Fahagagana ihany koa.

Ray, ô ampitomboy
Ny finoako anao
Ka ireo zava-mahagaga
Aoka ho voninahitrao.

RNH, Trocadéro le, 12/07/1999



Autres articles

Un commentaire

  1. Tefy dit :

    Tsara ilay tononkalonao. Feno fahagagana ny fiainanao ô? Ny anay aty Mada koa toy izany. Mahagaga ny Tompontsika, mbola holazaiko anareo any aoriana. Mahereza e.

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees