Ianao

Ianao irery ry Jesosy
No mahita ny ato am-poko
Zary miafina amin’olona
Nefa feno ny toloko

Ianao no tsy mijery
Ny fiseho ety ivelany
Ka mampangina ny tomany
Iaretako eto an-tany

Adin-tsaina, sento lalina
Tsy mampatory ahy ny alina
Fahakivina, alahelo
Indrisy ts’hisy olona mpihaino

Ianao anefa Tompo
Mampahery, mampahatsiahy
Fa izay manaraka anao
Dia ilaozan’ahiahy

Ka raha maraina vao mifoha
Dia misinda avokoa
Zary miramiran-tava
Velon-kira lalandava

Tonga mpampahery ny hafa
Mahay mizara, mahay mitia
Satria, ilay rà nalatsakao
No manadio sy manavao.

RNH, La nuit du 28/01/1994, à Soavimbahoaka



Autres articles

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees