Ho anao

Tiako ianao satria
Ilay fitiavanao, tsy hay faritana
Tsy voafetry ny satria
Fa maharitra doria

Na dia lavitra aza ianao
Eny, tsapako hatrizao
Ny fivavakao mahery
Manjohy ahy ombieny ombieny.

Ny Fitiavanao no fefy
Hery miazona ny foko
Tsy ho voarombak’olon-kafa
Fa hijoro lalandava

Tiako ianao satria
Tsy manahy fa mahatoky
Ka na any an-takona aza
Sanatria ny hanosihosy

Satria ny fitiavanao
Tsy mandika ny lalàna
Fa ny silaky ny fanahy
Ho fanaja sy lalaina

Ka na mbola tsy hitako aza
Azoko antoka satria
Ny Fitiavana Agape
Tsy Omena izay tsy tia

RNH, Antananarivo, mars 1994



Autres articles

Un commentaire

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees