Kolejy Rasalama

http://www.dailymotion.com/video/x56dqf

Fony fahiny fahizay teto an-kibon’Imerina
Nisy didy izay navoaka tsy azon’olona toherina
N’iza n’iza no nikiry sahy nitory sy nivavaka
Nodradraina fa vonoina tena tsy hisy havakavaka

Niezinezina ny didy, niorik’hoditra ny olona
Vehivavy iray tanora, no niezaka nitolona
Tsy nilefa ny hery setra, ka nilanja ny faneva
Ny finoana tsy ho levona, hiroborobo sy hateza

Ranavalona no mena, nikabary andampihazo
Rasalama no niventy ny finoana tsy halazo
Ambohipotsy sy ny lefona, no feo re sy mitrena
Nampihetsika ny aty, sy sentosento mahonena

Roapolo taona lasa, no atamberina etoana
Eny nisy fikasana, mba hanorin-tsangam-bato
Rasalama martiora no tsaroana manoloana
Moa hangina sanatria, ho ventesina hanako

Maro ny hevitra naseho, nef’iray no nokendrena
Ho fanovozana fahaizana sy hazahoana fahendrena
Ka KOLEJY RASALAMA, no orimbato tsara indrindra
Ny daholo no nisaina, f’io no mety ka harindra

Isika vory maro eto izao, no indray mahatsiahy
Toa samy mirana avokoa, toa velombelona am-panahy
Roapolo taona lasa hoe ny KOLEJY RASALAMA
Be tsy tambo ireo zatovo, no nanovo fahalalana

Eny feno roapolo taona ny KOLEJY RASALAMA
Maro ireo tanora tao, no bolangina salama
Ara-batana, ara-tsaina, na fanahy aman-dalana
Izay tsahivina eto anio, ka hiaraha-mikorana;

Raha mitady hianao sekoly, tena fandranita-tsaina
Ray sy reny mandiniha,tsy vy vato anie ny aina
Ireo solofonao handova, fahaizana sy fahendrena
Ny KOLEJY RASALAMA, tsy handiso izay kendrena

Sanatria tsy dokam-barotra, ny taona anie ka sarotra
Ny fanahy no maha-olona, sady tena sarobidy lavitra
Ka raha zatovo iray mitolona, sy mba vonona hiavotra
Ny KOLEJY RASALAMA, aza ataonao tazan-davitra


 
(2 ème prix)                         – 1979 -  

RNH, Andravoahangy, 1979 

 

  



Autres articles

Un commentaire

  1. tojo dit :

    mahafinaritra be lay tononkalo satria dia miresaka ny fianarana izay nandalovanay vao iray taona monja izay.mankasitraka e!!!!!!!!!!!

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees