Tiana & Hery

tianahery.jpg

 

Fankalazana ny Mariazin’i Tiana sy Hery 

 

Antanetibe, 28 novambra 2009

 

« Na dia ny ony maro aza dia tsy mahavono ny afon’ny fitiavana. » (Ton. Sol. 8: 7a)

« Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra. » (1 Kor. 13:13b)

 

Sarotra ho ahy ny hanambara
Ny niatombohan’ny tantara
Fa ny haiko dia izao
Tonga aho dia nahita tsara.

Olon-droa mifankatia
mifanaja, mifanakalo hevitra
Tsy mba misy ny an-tery
Fa izay rehetra atao dia niarahana nijery;

Mino aho fa ny Fitia
Izay mamatotra azy roa
No nahatonga azy ireo ho IRAY
Nifanaiky hikambana mandrakizay.

Ka na ny ONY BE AZA
Tsy haharava ny Fitia
Satria ny Fitiavan’Andriamanitra
No ANDRY iorenany maharitra.

Andriamanitra ô hombay, zato rahavavinay
Aza avelanao hianjera
Fa tazony n’aiza n’aiza
N’inona n’inona hatao
Ianao no hiaro sy hiambina azy izao.

I HERY koa aza avela
Tano mafy tsy hivena
Tsy hierikerika intsony
Fa hijoro tsy hirona
Hitandrina ny tokantrano
Mba tsy hidiran’ny angano

Ny zanak’izy ireo ry Tompo
Tolory hery sy fahendrena
Ho tafita soa aman-tsara
Ho reharehan’i Gasikara.

Isaoranay Anao ry Ray
Ny fandaharanao izay nampiray
Na dia sarotra fantarina aza
Mino izahay fa momba Ianao.

R.N.H,  Manjakaray, 12 novambra 2009

 



Autres articles

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees