Haingo & Solo

« Ahy ny malalako, ary azy aho »      

HAINGO, ravaky ny tokantrano 

Tsy rendrarendra, tsy atakalo 

Fa voatokana ho an’i SOLO 

Vonona ny hanolokolo 

  

Fa ahoana hoy ianareo 

No nihaonan’izy ireo 

Tsy hay takarina satria 

Fandaharan’ny fitia 

  

Fahatairana? Topi-maso? 

Raha izany dia ho ankaso 

Endrika miampy bika? 

Marobe ny tsy tomika 

  

Fa fitia lalim-paka 

Voasedra, voatsapa 

Volamena tsara tefy 

Tena HAINGO fa tsy renty 

  

SOLO, tsy niahotra 

Nefa tsy nanao bontolo 

Sahy nanolotra fitia 

Dia ho azy ho doria 

  

I HAINGO kosa niady mafy 

Fo sy saina nifandrafy 

Ny Fanahy avy amy Ray 

No nampiaiky azy : “Eny, tiako ianao ‘lahy” 

  

SOLO an’i HAINGO 

HAINGO kosa an’i SOLO 

Manambara teny iray 

Fitiavana mandrakizay 

  

Tsy hay sarahina, tsy hay vahana 

Fa fitiavana Agape no kofehy mampiray 

Tsy voasarak’olombelona 

Fa voafatotra iray. 

  

Andriamanitra Tsitoha 

Hery miazona azy roa 

Ny olana rehetra ao an-tokantrano ao 

Voazera sy mianjera 

Raha Jesosy no ekena 

  

Ankino Aminy ary  re ry SOLO 

Ny tokantrano manontolo 

Jeso no loharanom-pitadiavana 

Fitaizana ary koa fahasalamana 

Izy no anovozy fahalalana 

  

Ianao kosa ry HAINGO 

Aza kivy na malaina 

Fahano tsara ny ao an-trano 

Amy Teny mofon’aina 

Jeso Tompo no andrandraina. 

  

RNH, Lazaina Avara-drano, le 29/07/1994 

accueil.jpg 



Autres articles

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees