Domohina & Voara

Ho fahatsiarovana ny fanambadian’i

Ramanambahy Voara Jacky Ange sy Ravololoharimanga Domohina

Tokantrano iray miorina
Tena maha-tehizaha
Hazo iray sy vorona
Ireo no ravaky ny saha.

VOARA, hazo iankinana, ianteherana
DOMOHINA kosa feno tsiky fanaperana
Voafatotra ho iray, noho ilay fitia avy amin’ny Ray,
Hifameno, hifanampy, hifampitantana mandrakizay.

Ny VOARA, hitondra fofona
Hitondra hery, hiorim-paka
DOMOHINA eo an-tendron-kazo
Hikalo sy hamakafaka.

Ny fitahian’ny ao ambony
Hampitombo ny finoany,
Ka na rivotra mifofo na oram-batravatra
Tsy hampihontsona an’I VOARA, tsy hanongotra ny faka.

I DOMOHINA tsy hirona
Tsy hatahotra ny fafy
Tsy hitsoaka ny akany
N’inona n’inona mihatra

Izy roa mifangia
Mifampitantana doria
Amin’ny zavatra rehetra
Izay no tarigetra.

Koa ambinonao ry Ray
Ny fon’ireo mba ho tena iray
Aza avelanao halazo
Na ho reraka hivazo.

Ho arahin-jazalahy
Tsara toetra sy fanahy
Ho ambinin-jazavavy
Voninkazo hameno saha.

RNH, Antanimena, le 8 avril 1989

Musique de fond: Danse d’Anitra, Edvard GRIEG 



Autres articles

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees