An’i Mama

Ianao ry Mama no nitondra anay
Enina mianadahy tao an-kibonao
Ndriana, James, Noro, Hanitra, Tiana, Tantely
Ianao no namahana anay ny mamy
Ianao no nikolokolo anay
Ka nahatonga anay hitombo hatrany

Niady irery ianao fa vavy tokana moa
Niady saina mafy raha sendra izay nanjo
Nefa nanoloana izany, tsy nahoanao
Ny hetraketraky ny tany, fa notoherinao tokoa

Misaotra anao zahay noho ireny rehetra ireny
Fantatray ny fitiavanao tsy voambaranao an-teny
Hatramin’ny farany aza mbola niady ianao
Niady foana hatrany , alohan’ny nandaozanao ‘ty tany.

Veloma re Mama, nilaozanao ‘zahay
Nefa ianao namela mamy tsy ho hadinoinay
Veloma mandra-pihaona, fa mbola hihaona ihany
Any an-danitra misy fiainana hafa indray, fiainana vaovao.

Hanitra zanakao.

Paris, faha-23 janoary 2011



Autres articles

Un commentaire

  1. juliette dit :

    tena tsara an, mahay manoratra ianao

Répondre

My Brain Write |
"En lisant, en écrivant" |
thedailyprophet |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | pas d'histoires entre nous
| journal de la guenon du bou...
| meslivrespreferees